Translating and interpreting from English to Malagasy: obstacles and challenges

translation_articles_icon

ProZ.com Translation Article Knowledgebase

Articles about translation and interpreting
Article Categories
Search Articles


Advanced Search
About the Articles Knowledgebase
ProZ.com has created this section with the goals of:

Further enabling knowledge sharing among professionals
Providing resources for the education of clients and translators
Offering an additional channel for promotion of ProZ.com members (as authors)

We invite your participation and feedback concerning this new resource.

More info and discussion >

Article Options
Your Favorite Articles
Recommended Articles
  1. ProZ.com overview and action plan (#1 of 8): Sourcing (ie. jobs / directory)
  2. Getting the most out of ProZ.com: A guide for translators and interpreters
  3. Réalité de la traduction automatique en 2014
  4. Does Juliet's Rose, by Any Other Name, Smell as Sweet?
  5. The difference between editing and proofreading
No recommended articles found.

 »  Articles Overview  »  Art of Translation and Interpreting  »  Translation Theory  »  Translating and interpreting from English to Malagasy: obstacles and challenges

Translating and interpreting from English to Malagasy: obstacles and challenges

By Rambikarison | Published  04/8/2009 | Translation Theory | Recommendation:RateSecARateSecARateSecARateSecARateSecA
Contact the author
Quicklink: http://www.proz.com/doc/2327
Author:
Rambikarison
United States
English to Malagasy translator
 

See this author's ProZ.com profile
Ny fandinkan-teny na an-tsoratra na am-bava dia tena sarotra tokoa, indrindra ho antsika Malagasy. Sarotra io no ny antony maro izay tsy ho ary voatanisa eto avokoa. Ny zavatra tokony ho tsapa anefa, raha hanao izany asa izany dia ilaina ny fananana talenta sy ny fahakingana ary ny fahaizana manavaka ireo feo sy soratra ary voambolana maro isan-karazany. Raha mandika teny avy any amin’ny teny anglisy ho amin’ny teny Malagasy ohatra dia tena hita tokoa fa maro ireo olana izay mety hitranga. Ohatra azo resahina ny tsy fahampian’ny voambolana Malagasy raha oharina amin’ny teny anglisy izay sady efa ela no nisiany sy nampiasaina azy no manan-karena tokoa. Raha alaina ianao asaina mandika ny teny hoe “process” na “system” dia tena tsy hitanao izay teny azo ampiarahana amin’ireo. Mety misy fomba fanazavana mitovy fa ny mitovy dika amin’izany dia sarotra ny mahita azy.
Andao anie raisina ny fandikan-teny am-bava sy ireo olàna izay mety ahazo anao raha manao izany ianao. Ireto aloha ny ahy manokana no hitako, izany hoe traikefa ho ahy manokana ireto, fa raha afaka mizara izany koa ny hafa dia tena lafatra tokoa ny fandraisana izany. Entiko eto aloha ny fandikan-teny anglisy/Malagasy satria ireo no be mpitady sy mpampiasa indrindra. Voalohany aloha, ny fomba fanononana (accent) dia isan’ireo olana goavana izay hita satria amin’io fiteny anglisy io dia maro loatra ny fomba fanononana, ohatra amin’izany ny fanononana amerikanina, anglisy, afrikanina tatsimo sy sns. Raha miteny izao ny olona iray hoe beach sy bitch dia tena manahirana tokoa ny manavaka ireo raha tsy manana traikefa manokana niaraka sy nonina tamin’ireo vahiny izay miteny izany fomba fiteny izany. Vao maika manahirana raha isika Malagasy no miteny ireo satria dia lasa ohatra ny hoe miteny ratsy raha tsy mazava amin’ilay olona ny tianao ambara (context). Faharoa, ny fitadiavana ireo voambolana izay maro dia tena manahirana ny besinimaro tokoa. Tsy mitovy tokoa ny fomba fisainana sy ny fomba fanao ary indrindra ny fahazarana. Maro ohatra ireo fomba fitenin-jatovo (slang) izay tsy hay adika amin’ny teny Malagasy, ny hany azo atao dia ny maka sary izay tiana lazaina. Ny mety ary dia ny manontany mihitsy ilay olona andikanao teny. Alaivo sary an-tsaina anie hoe misy olona manao lahateny iray ary misy zavatra mampihomehy ho an’ny amerikanina kanefa sarotra ny mamindra izany saina izany ho azon’ny tsirairay izay manatrika, tera-tsemboka ianao vao mety ahatafavoaka izany zavatra izany. Ny tsara araka ny voalaza teo ambony dia ny manontany mialoha ilay olona izay andikan-teny ary mitaky fanazavana fanampiny raha ilaina izany. Mety hitranga koa ohatra ny tsy fisian’ny teny iray mihitsy amin’ny teny Malagasy, ohatra hoe “applications” (computer) na hoe “lift” (ascenseur). Ny any azonao atao dia ny maka ireo teny ireo amin’ny teny frantsay izay azon’ny ankabeazan’ny olona mety manatrika eo. Mazava ho azy izany fa raha andika teny am-bava ianao dia misy antontan’olona telo tsy maintsy raisinao an-tsaina: ianao amin’ny maha-mpandika teny anao, ilay olona andikanao teny (audience), ilay mpiteny adika teny (speaker). Tsy maintsy mijery lafin-javatra maro ianao manao izany asa izany. Anisan’ireny ohatra ny fari-pahalalan’ny olona mpihaino anao.
Mbola maro ireo azo lazaina mikasika ity fandikan-teny ity ary tsy mora tokoa izany. Mila fahazarana, fahaizana, fikarohana ary fahalalana ankapobeny izany. Azo atao tsara anefa ny mianatra an’izany ary toetra ilaina amin’izany ny faharentana, ny fitiavana mihitsy ilay asa izay atao.


Copyright © ProZ.com, 1999-2024. All rights reserved.
Comments on this article

Knowledgebase Contributions Related to this Article
  • No contributions found.
     
Want to contribute to the article knowledgebase? Join ProZ.com.


Articles are copyright © ProZ.com, 1999-2024, except where otherwise indicated. All rights reserved.
Content may not be republished without the consent of ProZ.com.